HADINONAO NY LASA (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alahady ny andro tamin'izay
Tolak'andro hariva tamin'ny roa
Nandeha nitsangatsangan'izahay
Toy ny fanaon'ireo olon-droa!


Ny lalana naleha dia lavitra tokoa
kanefa tsitahita dia tonga sahady
Taiza moa? aahhh teny Atombotsoa
Io no soratra tery am-bavahady!


Ny orana nifafy dia tena nanafitra
nanamando ireo fitafy nohentitsika
ny eloizay adino tsyhampifanditra
maika aza nitondra soa hoantsika


Nosatrohiko ny satrokao volontany
Porofo nanambara nyfitiavanao ahy
Izaho lasa embona any lavitra any
Toa raikitahotra,vahotra,miahiahy


Lasa ny andro ny volana ny taona
Indro ianao fa tsy hitako intsony
Izaho anefa niandry anao foana
Nakaiza?efa lasan'olona ny fony


Atao ahoana zay angamba no anjara
Tsy 'zay manome toky no voafidy
Na hitondra anao ambony Alitara
Fa ilay mpahary no tompony safidy


Hadinonao ny lasa...
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1734 2
Mpakafy: Vitsikakely - Smbatra
Hevitra mandeha
ricardo ( 10/10/2008 19:43)
Ny fitiavana ve? tsy mba toy ny ketsa ka azo afindra
Fa toy ny diha, ka raha misy ny olana azo arindra
endrika01 ( 13/04/2009 12:40)
eeehhhh,raha manana toen-tsaina toy an'i ricardo doly ny mpifankatia
angamba tsisy tsony ny
hijaly aram-pitiavana.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1435