Ampidiro aloha ny tenimiafina
OMEKO FAHAFAHANA (fanasina7)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omeko fahafahanaNy foko sy fitiavako
Mb’hitia anao rahavako.
Omeko fahafahana
Hitia tsy hihambahamba,
Tsy hanao intsony angamba !
Omeko fahafahana
Tsy hisalasala
Handray anao « am-bala » !
Fa feno taona ianao :
Manan-jo sy afa-tsaona,
Afaka mifidy sy mandidy
Izay heverinao ho safidy,
Sy koa zava-tsarobidy.
Fa tonga taona ianao,
Afa-java-natahorana,
Sy tapa-tady nifatorana ;
Nahazo fahafahana :
Hampitroatra ny fitiavana !
Omeko fahafahana
Hiarahaba anao ny saiko,
Hankamamy anao ny aiko,
Hankatelina ny fanahiko.
Omeko fahafahana
Ny foko mba hifaly
Satria afa-jaly :
« Efa lasa ny omaly » !
Omeko fahafahana
Hibanjina ny ho avy,
Ho vonona sahady
Handray anao ho vady !
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
