RY FANADINOANA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)

Halako ianao ry fanadinoana,
Tsy mety manjaka ato anatiko ato,
Irony fahiny tsy tiako hotsaroana,
Tsy mety voarava fa mafy toa vato.

Mba mikosoka ihany ve ka ny tsara indray
No tadiavina halevina mandrakizay !
Fa nahoana ny ratsy no avela hijoro,
Hitondra adin-tsaina, efa mila hamono !

Halako ianao ry fanadinoana,
Tsy mety tambazana kilalaon-tsaina,
Tsy mety tambazana vola sy harena,
Tsy mety kosehina vazo sy hira,
Tsy mety ifanarahana anaovana dina ;
Fa raha vao tonga ny alina dia mipoitra mangina,
Mody manaiky kanefa mandainga,
Joko tsoriaka mampiferin’aina.

Halako ianao ry fanadinoana,
Ny tsiaro tsara tadiavinao vonoina,
Fa ireo ratsy kosa fadianao soloina…
Halako ianao ry fanadinoana !

1997F7
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1264 1
Mpakafy: yhardina
Hevitra mandeha
IaroMalala ( 10/07/2013 06:51)
Ny fanadinoana?
Tsy zaza matory io ka safosafoina
Dia mety ho rendrik'izay torimaso!

Miandrasa kely de ho avy @nao ilay fanadinoana zahavinao!
fanasina7 ( 11/07/2013 07:22)
:p tsy ratsy ndray zan filozofianao zan an :) le miandry miandry ian, fa le ftoana mirirotra be otran elastika no olana be :p
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158