SOA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy tsy mibitsika izay nanara-maso
Ny fiarahantsika :
« Ahoana no hiafarany, hitohy sa hiato ?
- Angamba izay no vita ! »

Ireo nitsiriritra kosa ny toeranao
Dia injao saika hibitaka.
Kanjo ny ahy no tonga aloha : « ny foko onenanao »
- Dia nangaina ka nisintaka –

Ireo mpanaraby indray sy irony mpanakora
Dia indreo nitampim-bava,
Nanantena ho « vita ho azy » sy ny « ho rava mora »
- Hay vao maika tsara laza :

Fa ny fifankatiavantsika, tsy an-jaza velively
Satria voaporofo tsotra izao fa fo no mifamatotra
Matoa tsy ravam-belively, ferifery, teritery
Sy elanelan-tany, mahafanina, mandifotra.

- Dia hoy aho hoe : « Efa izay no lahatra ! »

- Soa ! –
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1151 0
Hevitra mandeha
lalaiina ( 26/11/2012 06:06)
Dia hono ny tohiny ? :)
lalaiina ( 09/01/2013 11:05)
"Ireo nitsiriritra kosa ny toeranao
Dia injao saika hibitaka": nibitaka be zany zao piso-tia :p ???
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.188