You are here: home > Vetso

AINA - Fano

Azo vakiana?

Ny takatra manjonitra amorom-parihy:
Tsy marary fa maka saina
Izaho no mitazana ety
Variana mandinika ny aina

Ny maintso no haingon'ny saha,
Nytadio no mampisakodina
Ny vatana no vahatry ny aina,
Ialako ny ratsy tsy haningotra ny aina

Ny masoandro milentika mbola hiposaka
Ny ravina maina no mbola hitsiry
Fa ny aina izay raraka tsy mba haniry
Ndrao hanao ny hadalana ka hangirifiry

Ny tany no malama maina
Ny ratsy tsy mba kely lalana
Ary ny sakaiza manody tsy mba ho namana
Fa Andriamanitra irery,izay no fiadanana

Raiso Andriamanitra hiahy anao
Lehibe ny fitiavany hitantana anao
Ny fahasoavany no hitsinjo ny ainao
Ka raiso Izy anio ho Mpanavotra anao
*01110815A0D

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fano


Nampiditra : famoha
Daty : 10/08/2016
Mpamangy : 821
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MIRINDRA
TENIKO
KANTO MITARAINA
ANGAMBA
FA NY FOKO
DIA
VENTSO AN-TANY KARAKAINA
VONINKAZO
TENINDRENY
HARENA2