FA NY FOKO (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa ny foko ry Raiko Mpahary
Izay antsoiko @hoe Zanahary
Apetrako an-tananao
Hamindranao ny fitiavanao

Fa ny foko Ramangatahiana
Dia natokako ho anao tsy hidila
Tsy ataoko fitia mitolila
Fa fitiavana tsy haiko sangiana

Fa ny foko Rahanitriniala
Zay lazaiko @ tsy mahalala
Na manenjika ireo mpankahala
Ny fitiavako ho tojo sahala

Fa ny foko Rasoabakobako
Lay fitia tsy ataoko an-tsahabo
Fa lanja-pitia mandramaty
Satria ho voafehin'ny tady

Fa ny foko ry mamiko indrindra
Dia atolotro ho anao tsy hifindra
Aza mihaino ny feon'ny mpandalo
Fa tadiavo ilay tompon'ny rano

Fa ny foko Rasoamangamanga
Tsy hanjilatra na koa ho banga
Lay fitia tsy ho ataoko kinanga
Fa atohizo ny tadin-dokanga

Fa ny foko ry sombiniaiko
Ny fitiavana izay nandrandraiko
Dia ianao no felan'ny aiko
Ary hahatomefy ny saiko

Fa ny foko Ramananarivo
Tsy ho resin'ny mpandrivorivo
Fa ny lafatra tokana an-tany
No hizotra @ lalan-kombany
*01030916A7E
--------
Rohy:
1831 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 04/09/2016 15:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095