DIA (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mankaiza izato lalana
Hizoranao ry mpivahiny?
Andeha hikatsaka fiadanana
Sa hanenjika 'lay tiany?

Mahaiza mamindra
Fa mbola ho lava
Mba ho mirana indrindra
Raha tojo sahaza

Herezo ny saina
Tohano ny fo
Araraoty ny miaina
Ka lanio @ soa

Fandalovana ny tany
Ny rendrarendrany tsy ho lany
Fa ilay fiainana tiany
No ho anao ry mpivahiny

Lalan-tsarotra mideza
Haram-bato feno tsilo
Aza kivy...,mahereza!
Ny fanantenana no aoka ho fanilo

Tany ngazana sy maina
Aza atao hampitaraina
Fa tsinjovy ilay maraina
Ilay efa nantenaina

Ho tonga ihany ianao
Na dia hisy zava-tsarotra
Koa mitrakà sy miatanjaha
Dia herezo izany dia!
*02140816A6E
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1245 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 17/08/2016 05:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096