ANGAMBA (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba tsy ho diso
Rah'toa ka manontany
Ny lalana mideza
Sy ny fiainana any ho any

Angamba tsy ho tsiny
Rah'toa ka mananbara
Na dia averina im-piry
Ilay fitiavana sahala

Angamba tsy ho kivy
Rah'tojo fahasarotana
Na dia ho andry iray ny ngidy
Izay tsy ho ariko sakanana

Fa angamba hifameno
Ilay volana baliaka
Sy ny tara-dohataona
Izay mampiray antsika

Ny ando vao maraina
Sy ny androm- pisandratana
No hahamirana ny saina
Na dia aizin-tsakasakana

Angamba koa ho lany
Ny ankason'ity tany
Dia ilay fiainana mamy
No hahatsiarovako ny any

Fa angamba tsy ho diso
Rah manembona ny ankany
Fa ny lasany rehetra
Efa lanin'ity tany
*01151016A9E
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1431 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 22/10/2016 15:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116