VONINKAZO (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voninkazo tsara voatra
Ao anaty zaridaina
Mampanembona ahy hitroatra
Ndeha hitady ilay lalaina

Voninkazo meva soa
No mandravaka 'lay vazy
Mampamentsoventso koa
Fa dia manina 'lay azy

Voninkazo kanto loatra
No mameno izato saha
Toa miantso ahy mba hanamboatra
Fa izay tsara manan- draha

Voninkazo vonindraozy
No manarona ny saiko
Dia 'lay vony raoziraozy
No mamelona ny aiko

Voninkazo manirery
No eny an-tany karakaina
Io no ataoko tsara jery
Toa tsy misy izay taraina

Voninkazo tsara loko
No manaingo izato foko
Voninkazo mavokely
Ka nataoko ho an'i Neny

'Lay voninkazo tiako indrindra
No iriako mba hirindra ka hamoa fanantenana
Sy hameno fahefana
*01130816A4E
--------
Rohy:
2183 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 16/08/2016 15:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122