MIRINDRA (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny kabary ry lahy dia soa sady kanto
Arahina fihetsika milantolanto
Ny feon-drangahy toa manao nifin-tsofa
Kanefa mirindra sy mitofatofa

Ny endrik'ikala manaraka feo
Sariaka sy jejo kanefa jereo
Ny fahendreny any izany manaraka azy eo
Mitsiky makefaka mampiady feo

Lahateny tsara rindra sy fatratra indrindra
Evain'ny fihodina kasy famindra
Tsara re roy e!Lafatra indrindra
Ny olobe sy tanora no miara-mirija

Mba henoy koa ity zazakely
Toa tsara fijidina ho zanak'anjely
Hilaza ohabolana iray hafa kely
Hampitsiky ny miaina,indrindra fa i Neny

Indreo miara-manandratra ny hasin'ny teny
Tsy hanavahan-tsaranga na lehibe sy kely
Fa miara-maneho ny hakanton'ireny
Mahereza ianao,masina ry teny
n:01290117A1F
--------
Rohy:
1611 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 08/03/2017 13:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101