HARENA2 (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Harena;aiza ilay anjara mba ho ahy?
Haren'ny nofo ve sa haren'ny fanahy?
Iza no tsara ho katsahiko indray?
Ary koa mba iainako, iadanako @zay

Haren'ny nofo mora lany
Harena mora simba koa
Harena mety ho lo
Harena,toa tsy dia maha_afa-po

Harenabe no hananganam-pahavalo
Hanetrena ireo ambany,handetehana ny lavo
Faly haneso ireo izay ory;ny fiainana eto dia mandalo
Ka herezo ry fanahy,aza hatonao hampimalo

Fa ny harena tsara indrindra
Harena lafatra tokoa
Dia ilay harem-panahy
Ilay katsahiko ho ahy

Ilay Kristy Jesosy no Harena tsara indrindra
Tsy voavidim-bolamena na ny miora sy safira
Dia ilay fiainana vaovao no hianaranao mamindra

Koa zory izany dia fa mbola lavitra ny lalana
Tsy ho ela intsony anefa dia ho tonga ny fiadanana
Ilay Ray hatrany no mialoha anao hitari-dalana
*01130915A6D
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1242 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 15/08/2016 15:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105