VENTSO AN-TANY KARAKAINA (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza no hanoina
Izato ventsoko mangina
Ventso an-tany karakaina
Mbola miandry ilay maraina

Diamanga tsisy tohany
Dia toy ny biby tsisy lohany
Ilay ventso manirery
K'avelao hirenireny

Antsoantso lalandava
No injao fa re manavatsava
Ny aizim-piton'ilay saina
Mbola miandry ny maraina

Antsoantso miampy sento
Miandry,miantso ilay tadiaviny
Indrisy,tsy namaly 'lay notiaviny
Dia 'lay ventso sisa reko,notovanan- tsentosento

Dia izay 'lay ventso antany karakaina
Izay niandrasana maraina
Nefa indrisy,mbola tsisy
Izay hamelona ny tsiky

Dia injao fa miantso ihany
Ilay ventso manirery
Ny fo mitempo ihany
No mandondona ny hery

Dia mbola manantena
Fa ho avy ilay maraina
'Zay nandrasana hatry ny ela
Ka ho foana ny taraina
*01140816A5E
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1595 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 17/08/2016 04:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099