You are here: home > Vetso

TENIKO - Fano

Azo vakiana?

Eny ho'aho ry teniko
Fa iza moa ianao
No sahy mampanantena
Ny tena fahendrena?

Fa na hampanantena
Sy hanao ny fanekena
Tsy hitokirako tsy akory
F'andrao ho tanjona hampahory!

Kanefa raha ianao
No sahy manambara
Ka hijoro sy hilaza
Dia ekeko ihany noho ianao

Fa ianao no teny
Izay averimberiko eny
K'andrandraiko ombieny
Dia ilay teny toa tantely

Koa misaotra anao ry teny
F'efa fantatro izy izay
Ka averiko eto ombieny
Mankasitraka ry lahy!

Efa fantatro ianao
Fa hoe teni-pireneko
Ka ny Tompo homba anao
Ry ilay teny fanekeko

Fa tsy ho resy na ho rava
Ilay ambom-po mazava
Ka hiara-hivazavaza
Sy hanaotana hantan-jaza

Koa matokia ry teniko
Fa tsy hivadika aminao
Fa na ireny diam-peniko
Mbola niainga avy aminao
n:01161116A0F

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fano


Nampiditra : famoha
Daty : 08/03/2017
Mpamangy : 647
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MIRINDRA
KANTO MITARAINA
ANGAMBA
FA NY FOKO
DIA
VENTSO AN-TANY KARAKAINA
VONINKAZO
TENINDRENY
HARENA2
HARENA1