You are here: home > Vetso

HARENA1 - Fano

Azo vakiana?

Nankaiza ny endriny toa mangamanga
No toa vovon-tany no voafono lamba?
Nankaiza ny hareny tsy lany laniana?
Nankaiza izy teo no toa varimbariana

Tsy nitondra akory na dia iray dia
Ho entiny miaina ary an-koatra ary
Ny hareny nitosaka nameno trano
Ireo eo ihany tavela ao an-trano

Tsy nitondra akory na dia rambon-danba
Tsy aleo ve nomena ny havana ory
Toy izay avela ao an-trano hisavorivory
Ny an'ny mpanankarena manilika ny ory

Rehefa maty iray ihany ao anatin'ny tany
Tsy afaka hanilika ireo izay ambany
Fa miaramizotra mankany mankany
Hanoa ny Mpitsara izay iray ihany
*01090915A4D

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fano


Nampiditra : famoha
Daty : 15/08/2016
Mpamangy : 647
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MIRINDRA
TENIKO
KANTO MITARAINA
ANGAMBA
FA NY FOKO
DIA
VENTSO AN-TANY KARAKAINA
VONINKAZO
TENINDRENY
HARENA2