Any ambanivohitra any (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tranokely maromaro
Eo an-tampon'ny havoana
Tsy dia tsara manao ahoana
Kanefa sanatria raha izany no ho foana

Toa tafo bozaka, fisoko
Ka tsy hitan'ny mpandoko
Raha jerena dia tsotsotra
Kanefa kosa mety handoka

Io ilay tanànantsika
Any ambanivohitra any
Ka raha manina ary isika
Dia alefa ny vinany

Raha hivoaka indray ianao
Ka hamonjy ny eny am-pita
Io ny fambolena tsara loatra
Tsy nifidianana mpamboatra

Tsara koa ny fambolena
Raha toa ka hilofosana
Ary koa mety ekena
Fa io tokoa 'lay Edena

Izao anefa no indrokely
'zay tsy fanao velively:

Raha mahita ny olona eny
Dia hikifiana,hivadiana
Fa toa hoe malotoloto akanjo
Sady mavomavo ranjo

Izao anefa no tsarovy
Ary koa mba tadidio
Fa isika izao dia samy avy eny
Ka nihosom-potaka ohatr'ireny

Ireny koa no mpamelona
Ratria avy @ireny
Ireo vokatra mamelona
Koa mba tsinjovy ihany
Ny hatrany ambanivohitra any

N:01140814A2A
--------
Rohy:
1396 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 27/06/2016 16:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153