Faniloko (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jehovah no Fanilo,
Hanazava izany lalako
Jehovah no fanilo,
Ka nanome ny fahiratako

Fanilo ahafahako mamindra,
Hamakivaky izany aizina mangina
Fanilo handreseko ny ratsy,
Fanilo tsara,'zay ataoko vatsy

Fanilo hanazava ny lalan-kaleha,
Fanilo hitsinjo ny lalan-kizorako
Fanilo ahazoako mirehareha,
Fanilo misandratra, hanainga ny tanako

Fanilo hampandresy,
Hankahery ny foko
Fanilo handoro
Ny fahalotoko

Fanilo namonjy,
Nitantana ahy
Nanandratra indray
Ny maha-eo ny Fanahy

*01270615A7B
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
858 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 15/06/2016 15:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018