Fiainako2 (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy tantely amam-bahona
Izany fiainana an-tany
Mety ho sembanan-drahona
Ka hiondrika sy hitomany

Matetika anefa mba mirana
Mahatsiaro fa ny fitia tsy mivilana
Tsy misy ny didy sorirana
Fa manao toy ny vonim-boahirana

Mitraka tsy miato
Mandia ny tany
Miezaka foana
Mandresy tomany

Ny Raiko manampy
Ny Fanahiko koloiny
Hisandratra foana
Sanatria ny ho foana

Mandrindra ny saiko
Manampy ny foko
Handresy indray
Ka tsy hisy toloko

*01210415A2B
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
816 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 25/07/2016 14:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099