You are here: home > Vetso

GASY1 - Fano

Azo vakiana?

He kanto izany teniko
Mipololoitra avy ao anaty
He kanto izany teniko
Ka mamaky ny fanahy

Mitopa izany rano
Ary amoron'ala
Mba manako koa ny teniko
Ao ampon'ilay malala

Miventso izany saiko
Mihira ny fanahy
Mahaliana ahy ny teniko
Izay natokana ho ahy

Misidina ny vorona
Hanakatra ny avo
Atosiko ny ventsoko
Hivoaka in-dray maraina

Lalaiko loatra izany kantony
Tiako fatratra ny lantony
Hatongilako ny sofina
Henoiko tsara izany sodina

Kanto loatra ilay Gasy
K'aza avela hangasiasy
*01260715A9B

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fano


Nampiditra : famoha
Daty : 11/08/2016
Mpamangy : 467
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MIRINDRA
TENIKO
KANTO MITARAINA
ANGAMBA
FA NY FOKO
DIA
VENTSO AN-TANY KARAKAINA
VONINKAZO
TENINDRENY
HARENA2