HASIN'NY TENIKO (Fano)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asandratro indray ny hasin'ny teniko
Tsy hahetriko intsony fa sao dia ho neniko
Asandratro indray ny hasin'ny teniko
Kabary malagasy,izay no ventesiko

Asandratro foana hanenjika ny avo
Hivavahako hatrany ho eo an-tanan'ny Avo
Asandratro foana, maraina,hariva
Dia hiely hatrany izy mandrakariva

Hitodihako ny lasa,
Atrehiko ny androany,
Tsinjoviko ny ho avy.
Ny hasin'ny teniko asandratro hatrany

Na inona hidona,
Na inona hiantra
Iezahako hatrany
Ka tsy maintsy ho tratra

Dia ho sambatra ny taniko
Ho tretrika ny Nosiko
Raha lavo akariko
Tafajoro atosiko
*02270615A8B
--------
Rohy:
1120 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 11/08/2016 15:58
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105