You are here: home > Vetso

KALON'NY SAINA - Fano

Azo vakiana?

Fitopa malefaka no ataon'ny ony
Mandry milamina ny ao am-parihy
Kanto ny voahary napetraka ety

Ny fisiokan'ny vorona milantolanto
Ny feon'ny sahona manakoako
Tsinjovin'ny volana iray bakobako

Midorehitra ny kintana,mandoaka ny aizina
Fitsoka malefaka manafosafo
Ny kanton'ny alina mitafotafo

Mangina,milamina tsy misy feo
Ny aizin'ny alina no mandrakotra ny eo
Hiala izany dia ho maraina avy eo

Mihofahofa ny hazo
Mitsiky tsy miato
Miarahaba ny tany
@fo ravoravo

Mihira ny vorona
Midera ny Ray
Misaotra ny Tompo
Zanaharinay
*01120815A1D

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fano


Nampiditra : famoha
Daty : 15/08/2016
Mpamangy : 646
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MIRINDRA
TENIKO
KANTO MITARAINA
ANGAMBA
FA NY FOKO
DIA
VENTSO AN-TANY KARAKAINA
VONINKAZO
TENINDRENY
HARENA2