Lalan-tokana (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lalan-tokana iray no izorako
Fahafatesana tokana an-tany
Lalan-tokana iaraha-mandeha
Ho any @ ireo lasa taloha ela be

Lalana kizo tsy azo hiverenana
Ny varotsimifody,tsy manin-droa eto an-tany
Hialako sasatra t@ fiainana
Dia hialan'ny aina,ka hiverina ho tany

Lalana tery mankany @ Ray
Ho @ 'lay fonenana mandrakizay
Ao an-tranon'ny Tompo Mpanavotra anay

Toerana lafatra mandrakizay
Honenan'ny maty ka velona indray
Ahafahany miankina an-tsandrin'ny Ray
Sy hankalaza ny Zanaka Namonjy anay

*01050915A3D
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
793 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 12/06/2016 12:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136