MPAMAKY FANAHY (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao fa teniko
Hajaiko koa fa Reniko
Hasandratro ambony
Mba ho mamin'ny fony

Koloiko hivelatra
Ny kantony hielatra
Ka hamaky fanahy
Ilay teny ho ahy

Ny mpanenjika hangina
Fa hitombo re ny tiana
Ny mpaneso koa ho gina
Satria ny vavako efa zina

Fa ny maintso natao ho an'ny ala
Ny foko koa ho an-dramalala
Na dia maro koa ireo mpanadala
Ny teniko tsy hanan-tsahala

Teny tendrin-Janahary
Io ilay teny,na ho rano na ho vary
Fa tiako ianao,tsy hankarary
Na dia maro mpampijaly

Tsy ho avalan-ko rano toa sira
Fa andrandraiko @reo tononkira
Ny fitoviana no ataoko hoe mira
Fa ianao tsy hitovy @ sira

Fa soa sy kanto hampiray
Dia ilay teny lova t@-dRay
Tsimisaramianakavy no fianarana hatrizay
Fa antsoiko ny teniko ho mpamaky ny fanahy
*01290716A1E,
--------
Rohy:
865 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 05/08/2016 17:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0306