Ny lalana (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jesosy fitiavana
No tonga hampihavana
Niantso anao indray
Ho ao an-tranon'ilay Ray

Jesosy be fitia no manao hoe:"Avia"
Manatona re rahavana
F'Ilay Ray no mampihavana

Jesosy fahendrena
Tsy mijery fahalemena
Koa miverena ry rakaiza
Fa ny ratsy tsy sakaiza

Manaraha Azy ianao
Dia hitsoaka anao ny ratsy
Ny fahotana ialao
Ny fahamarinana no basy

Ny any ankoatra no tsinjovy
Ny paradisa no katsaho
F'izay no tsara mba ho tody
'Lay farany ao tsy kilalao

*01210315A0B
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
1055 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 03/07/2016 15:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147