RIRININA2 (Fano)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nankaiza ireo maintso mba haingon'ny saha
No toa tany ngazana tsisy mpizaha?
Nankaiza ireo voary mba radon'ny vohitra
No toa kivikivy tsy afa-manohitra?

Nankaiza ny herin'ny masoandro baliaka
No toa ny fanala no tena mandriaka?
Nankaiza ny vorona manakoako
No sahona kely no miventy lamako?

Ilay rano mahery nivadika ory
Fitopa malefaka tony dia tony
No sisa hanalana ilay sorisory
Fa ny rano hidirana tsy misy intsony

Ilay tsikitsiky nahamiran-tava
Nosembanan-drahona ho maloka lava
Amin'izay ny hirifiry no sisa malaza
Dia izay ilay ririnina lava dia lava
*02090915A5D
--------
Rohy:
919 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 07/08/2016 15:33
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017