Tsimisaramianakavy (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny ho'aho Ramalagasy
Malagasy tia fivoarana
Malagasy tsara haingo
Tsara bika,tsara anarana

Mbola tsaroanao ve 'lay toetra nitsanganana?
Efa fantatrao ve ireo vatsy tsara ananana?
Firaisankina sy fitiavana
Ary koa ny fihavanana

Tsimisaramianakavy no manambatra ho iray
Izy irery ihany no mbola mampiray anay
Ka arovako hatrany tsy ho levona ny ahy
Mba hanondrotra hatrany izany hasin'ny fanahy

Tsimisaramianakavy,io no antsika Malagasy
Tsimisaramianakavy no natokana ho basy
Mba hamerina indray ny fahendrena hatrizay
Dia hitondra ihany koa izato saina @-panahy

Tsimisaramianakavy no hampandroso izato Nosy
Izy io ihany fa tsy natao ho nofinofy
Madagasikasa,Nosy meva tsara loatra
Madagasikara notsimbinin'ny Mpamboatra

Ka avereno indray
Ny fahatsarana hatrizay
Tsimisaramianakavy
Fa tsy avela ho vazivazy

*01050915A3D
--------
Rohy:
1121 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 13/06/2016 17:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097