vavaka (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray รด! Olombelona aho,
Olombelona tokoa;
Mitady Anao aho
Mila Anao tokoa,tokoa

Sarotra entina ny saiko,
Tsy mety ho tony koa ny foko
Manampia Ianao ry Ray,
Hanafaka ahy sy hanasoa

Ilay ratsy no mahery
Manjaka ao tokoa,tokoa
Manafaha ahy ry Ray
Mba ovay ho mafy fo

Mba hanaraka Anao
Hahery fo sy hankato
Ny fanahinao mba ampidino
Hanamafy orina ny fo

Ho lalim-paka ny finoako
Ka hahatohitra ny ratsy
Ka ny tsara no handreseko
Ny fanahinao no basy
Ka hampita fahalalana
Dia hizara famonjena
Ho an'ireo tsy mahalala
Mba hiverina ao Edena
*01180515A5B
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
817 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 29/07/2016 05:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144