Ventson'ny fo mitempo (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny rano no misamboaravoara,
Asesiky ny onja mitopa.
Fa Ianao no misarika ahy
Dia noho ny fitiavan'ny Ray

Ka indro aho anio,
Avy hanatona Anao
Tsy atao toy ny sangy,
Na koa kilalao

F'avy,hionona mandrakizay
Avy hifaly,hamonjy fanahy
Izaho ilay maditra no hiverina anio
Dia tantano ny diako ary koa mba tahio

Dia izany no ventson'ny foko mitempo,
Ary koa ny fanekena izay efa nekeko
Sarotra izany ka mangataka indray:
Mba ampio aho ry Tompo ,hahery fanahy
Amen

*01141115A9D
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1021 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 05/08/2016 16:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099