Zava-boahary (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jereo ange ireo havoana
He rakitra ala maro
Tsy hoe maintso mavana ihany
Fa mamerovero aok'izany

Ao koa ny voron-kely
'Zay misidina eny ho eny
Toa sambatra eny foana
Mahafinaritra ny taona


Izao no zava-boahary
Izay nomen-Janahary
Hajao mandava-taona
Izy ireny tsy ho foana

Ny an'ny olombelona
Dia ny miompy sy mamelona
Tsy hamonomono gaona
Na hampijaly azy foana

N:01170313A0A
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
884 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 27/06/2016 15:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141