Manina (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny faravodilanitra no sisa mba tazanina
Io no hita maso ka jerena rehefa manina
Manina ny tany, Manin olon tiana
Mitazana itsy lanitra manjary fahoriana
Manina ny namana, manina ireo havana
Tsy misy azo atao fa dia mikopakopa tanana
Ny ranomaso sisa no hany manambara
Fa malahelo loatra an ilay malala
Ny feo manakoako miverina aty ihany
Ny vola kely hananana tsy mahatonga hatrany
Dia atao ahoana fa manina am pitoerana
Mafy ny onjan ny tany, tsy manam pahataperana
Manina anareo aho, manina anao
Ka aza adino ange fa TIAKO LOATRA IANAO
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
2161 0
Hevitra mandeha
Mariano ( 03/09/2005 16:31)
Toy itony no karazana tononkalo tsara
fiaritiana ( 05/09/2005 12:31)
marina ve
misaotra an i Mariano aloha tamin izay e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143