You are here: home > Vetso

Ny fiverenanao - Fiaritiana

Azo vakiana?

ny fiverenanao no nanasitrana ny aretiko
ny fahatongavanao no nanakombona ny feriko
ireo alahelo sy ireo sento hatrizay
dia nanjary fifaliantsika indray

ny fiverenanao no nampitsahatra ny ranomasoko
ny fisianao no nampijanona ny ankasoko
ireo fijaliako izay niainako efa ela
toa nanjary fongana tsy nisy tavela

ny fiverenanao no nampihaona indray
nanao antsika roa tonga ho iray
nitondra hasambarana sy ny hafaliana
ny fiverenanao teo anilan olon tiana

ny fiverenanao raha atao teny tokana
dia tena fitsikiako mba ho ahy manokana
hifarana hatreo ireo karazam pahoriana
izay niainako hatrizay tao anaty fihafiana

Hevitra mandeha

johan (15/04/2005 09:22:58)

Samy hafa be ny inspiration tsika sy ianao eh? hihihi, fa mlay ko kah, tsy ratsy mihintsy. Mazotoa eh!

fiaritiana (15/04/2005 16:32:24)

fa ahoana kay?

Hametraka hevitra

Midira aloha