Teo am -pisarahana (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy nifankafoy, nalaina hisara - dalana
mbola nifamihina teo am- pisarahana
ny oroka amin izany , tsy lazaina intsony
nifandray ny tanana , niezaka nifampitony

ny ranomaso dia nikija, tsy voafafan ny mosoara
ny alahelo toa nangidy,izay tokoa ve no anjara?
fa nahoana ity lalana no nozaraina , nosomparana?
tena lavitra ireo tsiky , tamin ny ora nisarahana

ny ranomanitrao, nanaraka ahy hatraiza hatraiza
rahoviana indray vao hihaona , rahoviana ry sakaiza?
dia nahoana loatra no nisy ity sampanana?
izay nahatonga izao fotoana fisarahana

toa manonofy ery vao manembona ny lasa
asa mba oviana no hitsahatra , asa?
eeeeeee., raha izaho mantsy no sambatra ohatra anao
dia havaloko ireo lasa ka hiaina vaovao
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
3447 1
Mpakafy: johan
Hevitra mandeha
damekely ( 24/09/2005 09:55)
Tsar be lé tononkalo fa manembona tsara.Dame kely
fiaritiana ( 26/09/2005 12:10)
misaotra an i damekely aloha tamin izay e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141