You are here: home > Vetso

Tiako ny taniko - Fiaritiana

Azo vakiana?

TIAKO IANAO RY TANIKO
TSY MBA HO ADINOKO FA TOY NY RAHAVAVIKO
TIAKO IANAO RY TENIKO
AMBARAKO HATRANY FA TSY MBA AFENIKO
LALAIKO IZY MANTSY
KA TSY AVELAKO HISY HANARATSY
LALAIKO IHANY KOA
SATRIA TAO NO NAHITAKO IZAY NAHASOA
TSY ATAKALOKO NY HAFA
AROVAKO KOA RAHA MITADY HISY HAKA
TSY AMIDIKO AKORY
SAROBIDY NY TANIKO, NY VOLA TSY AMBONY
MADAGASIKARA
TANANA MEVA SY KANTO ARY TSARA
RY MALAGASY TIANA
AZA MANADINO NY TANY NIAVIANA
TIAKO IANAO RY TANIKO
TANDROVAKO FOANA SATRIA TENA MAMIKO

Hevitra mandeha

nikopol (10/05/2005 17:17:26)

fiaritiana maninona ianao zany ? lasa ngeza be le soratra ?
sa tiana loatra ilay tany ? lol

fiaritiana (11/05/2005 16:33:59)

malahelo sady tia loatra ny tany e

nikopol (12/05/2005 12:24:11)

andao ande vakansa ary e !

fiaritiana (12/05/2005 16:11:18)

tsy afaka amin ity fa mi boss be

Hametraka hevitra

Midira aloha