You are here: home > Vetso

AMPIAKARO ! - Fidy Art Niaina

Lavaka mangitsokitsoka no niantotan'ny fitiavako;
Lavaka tsy hita nonoa no nianjeran'ny foko rahavako
Niezaka nihanika ihany, kely hery fa efa maratra
Te hianika farany avo; te hiakatra fa tsy mahatratra

Hantsana be mankadiry mahavery fanantenana
Moa mba ho afaka firy amin'izato faharatrana?
Hadivory sy tevana be! Tsy hitako izay amaharako
O ry tiako vonjeo! "Ampidino tady aho hiakarako!"

Fidy Art Niaina in Vetso III

Hametraka hevitra

Midira aloha