AN-TANY LAVITRA (Fidy Art Niaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy fanahy iniako ny niampita rano re ry tanikoFa teren'ny zava-misy ka tsy maintsy hoe nandao
Mba hampamiratra ny hoavy izay nomaniko
Eny, mba hahafahako ihany koa mampandroso anao
Aty an-tany lavitra ankehitriny no misy ahy
Ka isan'andro vaky izao tsy mitsahatra mahatsiahy
Manina an'ilay akany sy ireo havan-tiana
Fahalalana no horatovona; nandaozana fianakaviana
Eh! Mamy tokoa lahy izany atao hoe tanindrazana
Na dia mahantra aza, hafa ihany ianao ry Gasikarako
Hiezaka sy hilofo aho mba hahitako fahombiazana
Ary tsy maintsy hiverina aho rehefa vita ny fianarako
Fidy Art Niaina Onjaniaina. 15 Febroary 2021
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana - Aingam-panahy
Mpakafy:
Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art NiainaNampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 26/02/2025 09:32
