ANTSOY (Fidy Art Niaina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Antsoy aho amin'ny andro izay tokony hahafatesako
ry Raiko izay mpandahatra ny fiainan-javaboary.
Ny mba faniriako sy hany ambetin-dresako.
Aleo hatory fotsiny aho fa aza atao mararirary!

Fa voninkazonao ny ainay zanak'olombelona,
Tsy afa-misafidy izahay na ny minitra na ny ora.
Ny mba nofinofiko amin'ilay segaondra farany,
Mba tsy hijalijaly fa hiala aina moramora!

Dia ny finoanay tety, te ho ao an-danitrao,
ka aza avela ho very fa raiso ao am-paradisa.
Dia ho faly lalan-dava ny fanahiko hihoby Anao.
Ka mba ho isan'ireo anjelinao antapitrisa.

Ny faniriako Tompo o! Ny hany ambetin-dresako :
Te heo anilanao aho, te ho lavitra tomany...
"Antsoy aho amin'ny andro izay tokony hahafatesako"
Nefa re ry Tompo, tsy hoe mananihany fa...
aleo aloha mba tsy androany!

Fidy Art Niaina - 28 Aogositra 2024 - 22h53
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
192 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.749