You are here: home > Vetso

DIENY IZAO - Fidy Art Niaina

Dieny izao ry foko dia efa mionona
Dieny izao ilay afo mireda dia ezaho vonoina
Fa ndrao hivadiany ianao rahampitso ka tena ho voadona
Mbola tsy azo hitokisana izy iny ka aleo soloina

Fa mbola tsy latsa-paka am-pony raha ny fitiavany
Ny lasany, hono, tsy mety voafafa fa raiki-tadidy
Mbola ny anaran'ilay olon-tiany taloha no eo am-bavany
Dieny izao ry foko: mitadiava vaovao ahafaha-misafidy

Hametraka hevitra

Midira aloha