You are here: home > Vetso

EKEKO NA DIA - Fidy Art Niaina

Ekeko na dia mangidy sy mampamoy fo
Izay no lahatra ka tsy maintsy mankato
Maty momoka avokoa ireo fitia mba novolena
Voafitaka foana ity foko nanantena

Ekeko na dia tsy tantin'ny saina
Tendry sy anjara tsy voasetrin'ny taraina
Ry foko... Mangina re! Mangina!
Mahaiza mipetraka f'efa tsy tiana

Fidy Art Niaina in Vetso III


Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha