You are here: home > Vetso

HANANATRA - Fidy Art Niaina

Hananatra indray aho ry zandry malala
Hiteny sy hanoro hevitra anao
Ny fitiavanao mantsy toa adaladala
Diniho tsara ny tokony atao

Ny fisainan-dratsy dia tokony hialana
ny zava-drehetra dia misy fotoana
Ny fitiavana leitsy dia fifanajana
Ka aza dia maika ny hanaonao foana

Ny mpifankatia mifanohana hatrany
Raha sendra olana dia miara-mamaha
Manome fahasambarana fa tsy mampitomany
Raha hifandratra fo; tonga dia misaraha

Tsy izay tsara tarehy dia tiana daholo
Fa misafidiana tokana iray
Ilay fitia iarahana mikolokolo
Dia "iny tokana iny tiavina mandrakizay"

Fidy Art Niaina

Sokajy : fananarana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha