HATREO AM-PARA-POFON'AIKO (Fidy Art Niaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny toky nomeko, malala, hajaiko.Ilay voady masina tan'alitara!
Ny zioga rehetra, ekeko, zakaiko.
Satria ianao no efa anjara.
Tiako ianao, vonona aho hiafy.
Ho tia anao amin'ny andro rehetra.
Hiaretako foana na vono na gafy.
Fotsiny aho tia, tsy asiako fepetra.
Marary malala ilay hoe manan-drafy.
Olombelona ihany aho ka tsy hanasazy.
Ilay voady nataoko no hotanako mafy.
Mba ho voninahitr'ilay mariazy.
Ny mbola nijoroko dia izy dahy.
Tsangambato lehiben'ny fitiavantsika
Ireo no mbola mampiezaka ahy.
Fa zanako mamiko, tiako ho tafita
Ny vavaka nasandratro izay ela izay.
Ny fifadin-kanina rehetra natao.
Dia mba ny hiverenanao indray,
ka indro androany niverina ianao!
Na injao aza ny aiko fa reko mihakely,
dia tiako ianao ry tokako hahalala
fa ny fitiavako anao tsy niofo velively,
ary mamela anao aho ry vady Malala!
Fidy Art Niaina - 23 Marsa 2023 - 23:32
--------
Rohy:
Mpakafy:
Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art NiainaNampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 26/02/2025 09:31
