HO AN'IKAKY (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ikaky o! Izaho re mba antsoy
fa mafy sy mangidy ny zioga izay lanjaiko,
dia tsy afa-misafidy
fa ny kapoaka izay mangidy
no voalahatra ho anjarako.
Ikaky o! Alahelo foana no mameno ny tantarako
Kanefa he ! Iza no hitsinjo
ity taranakao kamboty ?
Mpamboly aho r'Ikaky nefa tsy afaka mioty.

Alahelo , ranomaso no androtokom-piainako...
Nefa izaho manjeny Ka iza no hitarainako?
F'ianao any Ankoatra any mety mahita anay ety.
Ny eto izao honena; mosarena fitia,
ka miantso re r'ikaky a!
Faingana re! Malakia !
Alaivo aho ho eny hiara-tsambatra aminao
fa tsy natokana ho ahy, angamba, ny ety amin'izao tontolo izao.
Raha maditra re ny zaza dia mendrika hobedesana a!
Fa raha velona hijaly dia aleoko fahafatesana

FIDY ART NIAINA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
69 1
Mpakafy: Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0148