MBA HO ADIDY FARANY (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Oh! Izaho mba nitia, nanaja zanak'olona
NIsy sedra maro; izaho tena nitolona
Voaravako daholo ny sakana rehetra teo
Ry bebe indray no namalan-kira tampotampoka eo
Didy jadona ny eto; tsy afaka mifampidinika
Mandidy ny lehibe ka mba ho aiza izahay madinika?
Tsy afaka hiteny aho fa kosa hitroatra anaty
Mba ho adidy farany! Anio ihany ahio ry bebe dia anamboary vatam-paty!

Izaho? Niezaka nanaporofo ny tena fitiavako
Firifiry ny olana teto fa tsyn nataoko sakana?
Nikiry aho, notoheriko ny havako
Satria ny ahy tongotra mby an-dakana
Mba fantatrao? tsapanao ve ry tiako?
Noho ianao, afaka hilaozako ny fianakaviako
Nefa ianao niala, very maina ny ezaka, eeeh§ zaho mba nanantena...
Mba ho adidy farany? Rehefa maty aho malala dia ampanaraho raozy mena

Fidy Art Niaina Onjaniaina 12/06/201
--------
Rohy:
719 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art Niaina
Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 24/06/2019 14:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151