MBA MIVERENA (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako malalan'ny foko
Tsy foiko
Namela toloko
Fa tsy hadinoiko
Mbola manantena
Ka mba miverena

Mila anao re ny fiainako
Sy ilay fisainako
Tsy mety mino
Fa hifanadino
Dia ho rava fitia
Miverena modia

Indrisy mantsy! Iaraha-mahita
Fa tsy mety tafita
Ilay sambo
Nidiran'atambo
Ankehitriny dia nafandao
Miverena re raha azo atao

Izay toa, angaha, no anjara
Ka dia tanatara
Mipetraka sisa
Izaho irery no mamisavisa
Ranomaso mijohy toa oram-panala
Mba miverena moa re ry malala a!

Ekeko efa zatra
Ity foko maratra
Voadonam-pitia
Fa sanatria
Ny hamoy fo
Miverena ry tiako tsy manampaharoa

Tonga nitady anao hatraiza hatraiza
Fa very mpitaiza
Ka mirenireny
Sy manjeninjeny
Eto an-tokonana no lasa vinany
"Miverena fa IZAHO MIANDRY ETO IHANY"

Fidy Art Niaina in Vetso IV
--------
Rohy:
862 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art Niaina
Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 24/05/2019 14:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4649