NOFY - Fidy Art Niaina
Azo vakiana?
Mety hahafaly anao, angamba,...
Na dia hampalahelo ahy ny zavatra ambarako eto androany
Milaza ianao fa leo ny resaka fitiavana
Firedirediko mazàna teo ampototsofinao
ny haisora-mitalaho teo ambany masonao
Ambarako anio fa androany, angamba, no hifarana izany
Eny! Mety ho eto angaha no ora hikatonan'ny foko?
Fa raha sendra hiverin-dalana
Dia dondony ihany ny varavarana Fa mbola hiarina aho
Hamoha sy hampandroso anao
Hohidiko ny varavarana,
Sao hisy hafa mitady haka ny toeranao
Mantsy, ny foko dia efa natokako ho anao samirery
Na dia hianjana anaty torimaso lalina;
Tsy maintsy ho taitra...
Raha mahare ny anjomaram-peonao miaody alinalina
Miantso maraindraina na mandondona harivariva
Fa raha sendra ianao tsy handalo dia hotohizako ny nofy
"Tsy hiadanan'ny nofo fa hisambaran'ambiroa"
Nofy: ahafahana manatontosa ireo kinasa tsy tanteraka
Mbola nofinofiko ny hiaraka aminao
Raha tsy eto an-tany, angamba, mety ho tontosa any Ankoatra?
Tsy fantatro intsony
Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Fidy Art Niaina

Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 14/05/2019
Mpamangy : 559
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TSY HO FOANATOKANA
Ny Tononkirako
NY NAMPISY ANAO ETY
ILAY FASANA HO LAPAKO
ALEOKO MATY
VELOMA RALALA
TSISY INTSONY
ANTSO
MBOLA MIANDRY