RAOZY FOTSY FAHAFITO (Fidy Art Niaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tadidy eto ireo kianja niainana fitia,Ireo lalana nizorana niaraha-niriaria.
Nantenaina ho tafita ny teny Ambolonkandrina.
Neverina ho anjara ny teo Ankadilalana.
Fitiavan-jaza ireny nefa tena mafy ny namoizana azy,
satria tsy mba natao vazivazy;
Na dia mbola zaza saina aza dia nikasa ho doria
Fikasana ireny fa tsy anjara ny hiara-dia
Teto Anosibe nisy zaridaina mahasondriana,
indreo notsiriritiko felan-draozy roa.
Miavaka faniry, nampitsiry fifaliana.
kanefa nolaingosan'olona avokoa...
Dia teny Dorodosy aho no nakanaka saina.
Naniry ny hahita voninkazo miavaka
Faly ery fa tojo zaridaina tsara ravaka
saingy ela ny ela dia zary karakaina,
nefa namporisika ny foko aho
hoe "Aza kivy! Mahereza!"
Dia tojo tany lonaka aho teny Mandroseza.
Fa iny koa mbola tsy anjara...
Niova indray ny toerana nisehoan'ny tantara,
dia Anosibe indray no nahitako raozy fotsy iray;
Raozy fotsy fahafito tato an-jaridainanay.
Nefa mbetika niova, niovaova loko;
Ary koa nandranty tsilo nanindrona ny foko
ka nisintaka kely aho nandao ilay toerana.
Anosizato Andrefana indray no nisy voninkazo tsara felana,
kanefa tsy ampoizina ny nipoiran'ny angano.
Faritra iva tsy avotra rehefa misy tondra-drano.
Rehefa nihodina aho niverina andeha hitodi-doha
no nahatazana voninkazo tetsy aloha.
Nanatena ny hifikitra ity foko niontanontana
fa saingy voahilika...
Tsy mendrika ho anay ny voninkazon'ny Namontana
Nivoy ny lakako aho nandeha nanara-morona,
nasosasosan'ny ony ho tonga teny Vontovorona.
Fa ny zaridaina tsy hita no indro nahamanina;
Natao veloma iny dia Itaosy indray notazanina.
Lainga lainga kosa fa tena nahatamana!
Diamondra mihitsy, mantsy, no haingon'ny tanàna.
dia ninoako teo ny saiko f'io no zaridaina ho ahy,
fa ny voninkazo tao kay tsipolitra fanahy.
Rehefa torovana aho, tsy nahita aleha mihitsy
No nampiantrano vetivety ahy ny teo Analamahitsy.
Saingy saha manan-tompo ka zary nandalovana,
Tafody Anosibe indray ity lolo efa torovana.
Fa ny tena tsy nampoizina!
Ilay raozy fahafito tato mbola sasa-niandry foana.
Ilay haingo efa nirina, tsy mba ravan'ny taona.
Fidy Art Niaina - 10 Febroary 2023 - 22h30
--------
Rohy:
Mpakafy:
Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art NiainaNampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 26/02/2025 08:43
