RY ZANAKO! (Fidy Art Niaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy fombako anaka ny manafatra toa izao,f'efa mandindona ahy izany fara-fisentoana.
Efa reraka dia reraka ity rainao
nefa mbola hitsiky kely noho ianao eo anoloana.
Anaka a! Raha ho avy ny andro hialako ety...
Meteza ho andry hiankinan'iny reninao iny.
Ny rendrarendra sy ny ditra ataovy sanatria;
Aza atao mihitsy izay mety hitomaniany.
Fa Dada ity efa lanaka.
Valaky ny rotoroto sy famelom-janaka.
Tsy nitandro hasasarana,
ka toa mandindona ahy izany ora fitsaharana.
Ny vatako izao reko fa mangorangorana.
Ilay fanimpanina iny niova ho toratorana.
Hatrizay ireny niharetako ry zanako,
fa anio! meteza farany hamihina ny tanako.
Veloma!!!
Fidy Art Niana - 01 Jolay 2022 - 07:06
--------
Rohy:
Mpakafy:
Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art NiainaNampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 26/02/2025 09:25
