You are here: home > Vetso

TANTANA - Fidy Art Niaina

Azo vakiana?

Nifampitantana leitsy izahay ilay niara-nody iny a!
Dia iny koa no nitantanako azy farany
Fa ny ampitso izy notantan'olon-kafa
Nafana ery ny tafa sady nidoladola
Leiry koa moa bandy manam-bola
Na aza aho tia dia any am-paladia e!

Lasany any leitsy ikala a!
Izaho koa no adala diso nanantena
Nanakim-po tamin'ny sipa manan-karena ka voahosihosy
Na aza tehitosy dia tsy mety intsony
Lasany tanteraka; lasany ny fony e!
Ny lalana niarahanay nizotra no indro fa nisampana
Nangaina teo ny tanako mbola te hitantana

Fidy Art Niaina in Vetso VI

Hametraka hevitra

Midira aloha