TARATRA MITOETRA (Fidy Art Niaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy fanilo iray teto foana nanazava!Nisy afo tsy maty nanafana hatrizay.
Nefa mbetika voatondra-dranomaso lava.
Indro koa fa nosoloinao taratra hafa indray.
Niandrandra ambony ianao ka indro...
Indro volana mazava no hita avy hatrany
Ilay lavabatonao voadidin'ala mikirindro.
Izao nobaboiny ary tena anjakany.
Faly izao ianao e? revo mihitsy angamba!
Miandrandra lanitra sy mankafy ny tarany,
Tojo tara-bolana ka tsy naharay lamba!
Sakaizanao ny alina, satry tsy hisy farany
Fa tsy fantatrao tokoa?
Io tara-bolana io mahenika izao tontolo izao.
Na ny lava-johy izay fonenanao,
na ny varavarankelin'ny any lavitra any,
tarafiny avokoa...
Jereo anie ny tarany e!
Jereo fa manjaka amin'ny masonao baliaka!
Feno ny havazany ny vatanao mihanjaka!
Mody mba rotsiany amin'ny ritsoka valiha!
Mody mba safoiny amin'ny rivo-poezia!
Kanefa akia fantaro fa tsy ianao ihany.
Tsy ianao irery no safoiny toy izany.
Fa varavaran-kely maro no indro fa hidirany.
Na ny rindrin-kazo aza mbola hamikirany.
Mba hitsofohany any anatiny.
Maro tena maro no efa nampiriatiny,
sy nalainy koa fanahy...
Io Razazavavy fa lavony tsy nahy.
Alina eto izao!
Io ianao variana amin'ny volam-penomanana,
Nefa ao ambadik'io dia mifono famitahana.
Fa an'androny vitsy io? feno dia ho vita
Ho maizina eo ianao, hitady fa tsy hahita!
Ary mbola ho ela indray vao mety koa ho tsinanana!
Any an-kafa indray izy no hitady irika hisitrihana...
Io ianao mangaina, gina sady fay.
Dia indro tonga saina fa misy fanilo iray...
Fanilo mitoetra tsy atahorana hisintaka.
Tsapanao tokoa fa ny tara-bolana mpamitaka!
Fidy Art Niaina - 16 Aprily 2023 - 22:00
--------
Rohy:
Mpakafy:
Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art NiainaNampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 26/02/2025 08:41
