You are here: home > Vetso

TOKANA - Fidy Art Niaina

Azo vakiana?

Eo anivon'ny natiora no indro hikaloako
Anefeko ny ratra tsy hihitatra ho fery
Ampitsaharako ny foko tsy hitia mba horatraina
Fa hianoka ny kanto; hankafy ny miaina

Foko, tokana ianao, nitempo mba ho azy
Fitiavako, noraisiny ianao, nataony vazivazy
Fanahiko, nilaozan'ilay silany, saika maritiora...
Saio namily lalana ahy hiverina hankafy natiora

Eny, tokana aho, tokana ny aiko, tokana ny foko
Ny hatsaran'ny miaina, notakonan'ny ankaso ho zary toloko
Manirery ianao fanahy; trotraka, osa...
Ny foko mba nitia, tsy sahy intsony, indrisy toa kanosa

Indreto manodidina ahy natiora tongalafatra
Hanilo ahy eto: masoandro mamiratra sy volana tomaratra
Torovana ny aiko, eto anivon'ny natiora aho izao no miala sasatra

FIDY ART NIAINA

Hametraka hevitra

Midira aloha