You are here: home > Vetso

VELOMA RALALA - Fidy Art Niaina

Azo vakiana?

Veloma, Ralala, raha tsy ho tamana
Aza miherika mitodika akory
Tsy omeko tsiny raha hiova fitana
Ndehana re! Ny lalanao zory

Tongotra ila manjary mandringa
Fa nilaozanao aho ka dia indrisy...
Tapaka tehina; very ny apinga
Nangaina satria nanantena tsy nisy

Lapa ho fonenako fasa-mangina
Fahafatesana nantsoina nirina
Ny miaina eto an-tany toa manorisory
Fara-fahasambarana dia ny matory

Tsy mirediredy aho na hoe lasa adala
Fa afaka ho aiza rehefa tsy tiana?
Veloma tsy fidiny, hono, Ralala
F'ity havanao efa an-dalam-podiana

Fidy Art Niaina

Hametraka hevitra

Midira aloha