ZAZA NAVELA (Fidy Art Niaina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faingana avia, ô Razandriko izany!
Avia hofihinin'ny tanako roa!
Mangina Razandry fa aza tomany!
Mahereza! etsy hatrakao ny loha!

Nangaina isika ilay zatra niangoty;
Tomany no solon'ny lalaontsika ireny.
Izao isika Razandry vao tena kamboty a!
Indrisy fa lasa i Dada sy Neny!

Kamboty,eny, isika manomboka hatreto
noho ny hetraketraky ny olon-tsy tia.
Vao omaly isika no nifaly teto,
nefa androany nizara ny dia.

Ka etsy, mangina fa aza tomany!
Etsy hofihinin'ny tanako ianao!
Feno hetraketraka lesy ny tany a!
Kamboty isika manomboka izao!

Fidy Art Niaina - 10 Aogositra 2022 - 21:04
--------
Lien:
207 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119